Jiro 3.000 hanazava ireo lalambe sy lalankely rehetra ho an’ny fokontany 20 eny Alasora amin’ny alalan’ny tetikasa “Alasora mirehitra jiro” novolavolain’Atoa Jimmy Randriantsoa.
Misy koa fiara sy fitaovana ara-informatika maro miampy boky 12 taonina mahery ho an’ny sekoly eny an-toerana’’, hoy Atoa Daniel Livon izay lefitry ny ben’ny tanànan’i “Carry le Rouet’’ kaominina any Frantsa omaly. Vonona ny hanohy ny asa efa natomboka ny mpiara-miombon’antoka rehetra, hoy ity vahiny ity.‘’Jiro 100 no efa manazava ny ampahan’ny tanàna ety aminay izao. Mbola hiampy izany amin’ity tetikasa ‘’Alasora mirehitra jiro’’ novolavolaiko ity’’, hoy kosa Atoa Randriantsoa Jimmy. Angady nananana sy vy nahitana ka miara-miombon’antoka amin’izao ihany koa ny “Eléctricité Sans Frontière’’ sy ny ‘’Syndicat d’énergie de Saône et Loire’’ (Sydesl), ary ny kaominina “Carry-le-Rouet’’ any Frantsa.‘’Resy lahatra izahay any Eoropa, miara-miasa amin’Atoa Jimmy R. satria manampahaizana sy olona azo itokisana izy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa tahaka izao sy ireo mbola hatao’’, hoy kosa Atoa Alban Curtit avy amin’ny ESF raha nijery ny asa efa vita teny: Ankadindratombo, Ambohimandraisoa, Ambatonjara, Ambodivoanjo, Alasora sy Est Mahazoarivo ary Sud Ambohipo. Ny fananana olona tahaka an’ity Injeniera ity dia antoka lehibe ho fampandrosoana ka haha kaominina filamatra an’Alasora eto Madagasikara, hoy ireo mpiara-miombon’antoka vahiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.