Sosialy

Fampananan’asasy fandraharahana Mbola mila ezaka I Madagasikara


  • Talata 22 Aogositra 2023

Notanterahina teo ambany fitarihan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian,

teny Anosy ny Atrikasa nankatoavana ny drafitra hampiharana ny praograma fampananan'asa sy fandrisihana ny tanora amin’ny fandraharahana eto Madagasikara. Fitohizan'ireo fihaonana maro vita teo aloha izy io, izay nihainoana sy nandraisana ny hevitr'ireo tanora Malagasy mahakasika ny hetaheta sy ny zavatra ilain’izy ireo amin'ny tontolon'ny asa, araka ny tatitry ny Fiadidian’ny Primatiora. Lafiny telo no tsy maintsy jerena raha te hanatsara ny tontolon'ny asa isika, dia ny tolotra, ny tinady, ary ny lafiny fitantanana, hoy ny fanazavana ara-teknika. Amin'ny andaniny dia mila manatsara ny tolotra ireo tanora, ary izany dia amin'ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaony. Ankilan’izay dia jerena ny tokony hanatsarana ny sehatra rehetra mety hiteraka asa. Mizotra amin'izany ny ezaka ataon'ny fitondram-panjakana, ary nohamafisin'ny Praiminisitra fa mila manohana bebe kokoa an’ireo tanora eny amin'ny tontolo ambanivohitra izay maro an'isa isika ao anatin'izany finiavana hanatsara ny fampananan'asa sy fampandraharahana ny tanora izany, hoy ny fampitam-baovao.
MILA FAMPIANARANA SY FANOFANANA NY TANORA MOMBA NY HARENA ANANAN’I MADAGASIKARA
Mbola mila ezaka be I Madagasikara amin’ny tontolon’ny fampananan’asa sy fandrisihana ny tanora handraharaha. Mananosarotra ihany koa ny hoenti-manana. Betsaka anefa ny sehatra azo hanompanana fihariana eto Madagasikara, saingy ny tsikaritra, dia vao any amin’ny tontolon’ny fampianarana dia efa tsy mifandraika amin’ny tena zava-misy sy ny harena eto ny fanofanana ny tanora. Betsaka, ohatra, ny zavatra azo hanaovana asa fandraharahana sy hananganana fihariana eto, raha tarafina amin’ny harena, na an-tanety na ambanin’ny tany na an-dranomasina, saingy tsy voafehy satria tsy dia tena mifantoka amin’ireny ny fampianarana eto. Mety mamaha amin’ny ampahany ny tahan’ny tsy fananan’asan’ny tanora ny fanompanana ny fampianarana amin’I Madagasikara sy ny harena ao aminy, araka ny vinan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana.
Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT