Sosialy

Fampananana asa ny tanora Miainga amin’ny kalitaon’ny fampianarana


  • Zoma 02 Novambra 2018

Natao sonia tamin’ny alarobia 31 oktobra tetsy amin’ny Hotely Colbert ny fiaraha-miasan’ny SOS Villages d’enfants sy ny orinasam-piantohana Allianz Madagasikara.

 

Tsiahivina fa mandray an-tanana ireo zaza sahirana amin’ny lafiny fampianarana  no andraikitry ny SOS Villages d’enfants ary rehefa vita izany ka hiditra amin’ny tontolon’ny asa izy ireo dia manampy amin’izany kosa ny orinasa Allianz Madagasikara. Arak’izany dia tezaina sy volavolain’ireo orinasa ireo manomboka any amin’ny fanabeazana ka hatramin’ny fampananana asa hahavelon-tena mihitsy ireo zaza sahirana tsy misy mpiahy izay miisa 30. Ankoatr’izay dia nisy ny fifaninanana amin’ny sehatra fampananana asa natao maneran-tany ka nahazoan’ireo mpiara-miombon’antoka ireo ny toerana voalohany ary nahafahany nandray ny vola  fanampiana 10 000 Euros na 40 067 100 Ar noho izany (1Euro=4006,71Ar). 3 taona ny faharetan’ity tetikasa ity ary mbola misy ny fampahafantarana tetikasa miisa 25 n’ny SOS Villages d’enfants manerana ny firenena miisa 22 tamin’ity taona ity. Etsy andaniny dia mbola manampy 40 tapitrisa Ariary isan-taona ny Allianz Madagasikara ho fanatanterahana ny tetikasa atao eto amin’ny firenena Malagasy. Ilaina hatrany ny fiaraha-miasa tahak’itony indrindra aty amin’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara izay ahitana tanora maro marefo amin’ny sehatra fampianarana sy ny fampananana asa. Efa 262 ny isan’ny tanora nahazo tombony tamin’ny fanofanana ara-kasa ary 1561 ny ankizy sahirana efa nisitraka ny fampianarana tao amin’ny SOS Villages d’Enfants Madagasikara. Manamora ny fidirana amin’ny sehatry ny asa ny fampianarana tsara kalitao ratovin’ireo zaza sy tanora ireo avy amin’ny fikambanana ary tena misy akony amin’ny fiaingan’ny sehatra toekarena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT