Sosialy

Famoronana tetikasa tohanan’ny Orange Fantatra ireo 3 mendrika indrindra amin’ny “POESAM 2021”


  • Alarobia 22 Septambra 2021

Nivoaka ny valin’ny fifaninanana momba ny tetikasa sy fandraharahana ara-tsosialy POESAM 2021 na « Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient (POESAM) 2021, izay nokarakarain’ny Orinasa orange.

 Ho an’ny fifaninanana nasionaly teto amintsika izay niditra tamin’ny andiany faha-11, dia tetikasa miisa 3 no voafidy ho mendrika indrindra heverina hitondra fivoarana ara-piarahamonina, dia ny AHIA, iTS, Koti Kota.Raha manodidina ny 50 no nifaninana, dia miisa 10 ireo tetikasa nasionaly niatrika famaranana nandalo teo anatrehan’ireo mpitsara eto an-toerana ny 17 septambra teo, nahafahan’izy ireo nandresy lahatra tamin’ny tetikasany, izay natao tetsy amin’ny Orange Digital Center Ankorondrano. Hisitraka “kits et services de connexion Orange" mandritra ny herintaona ireo tetikasa mendrika, ary hahazo tan-tsoroka amin’ny fanatanterahana ny tetikasany. Momba ireo tetikasa mendrika indrindra, dia mikasika ny “crowdfunding", mifantoka amin’ny fanampiana ara-panabeazana, toy ny fiantohana ny saram-pianarana, sakafo, fitaovam-pianarana,… mba hanampiana ny ankizy marefo eto Madagasikara ny AHIA. Nahazo loka 2.500.000 Ar miampy tan-tsoroka ara-teknika sy ara-barotra avy amin’ny Orange ity tetikasa voalohany ity. Ny iTS kosa dia « Boat Facebook Messenger » mifototra amin’ny torohay sy fampianarana amin’ny alalan’ny an-tambajotra nahazo loka 2 000 000Ar. Ny fahateolo izay ny “Koti Kota” kosa dia mifantoka amina paikady hamaliana ny olana momba ny tsy fahampiam-bola vokatry ny fikatonan’ny sisin-tany sy ny famaliana ny fahalemena ara-tsosialy naterany, ka 1 500 000Ar ny loka azon’ireo. Nahazo 1 000 000Ar kosa ny tetikasa voasokajy ho nanome vahana ny fampiroboroboana ny vehivavy na ny «Prix féminin ». Ho an’ny “Grand Prix international” kosa, dia 10 000 hatramin’ny 25 000euros ny fankasitrahana ho an’ireo telo mendrika indrindra, arahina tantsoroka am-bolana maro avy amin’ireo manam-pahaizan’ny Orange mba hanafainganana ny fampiroboroboana ny tetikasany. 20 000euros kosa ho an’ny “Prix feminine international”, izay ny 2020 no nanomboka nampidirina ao anatin’ny fifaninanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT