Sosialy

Famoriam-bahoaka Tena manao izay tiany ny mpitondra


  • Talata 01 Septambra 2020

Nanokatra ny fanombohana ny fizarana ny "vatsy tsinjo" sosialim-bahoaka ho an'ny Distrika Atsimondrano teny amin'ny Kianja Groupe Bassan By Pass ny olom-panjakana maro nahitana Solombavambahoaka,

 

 

ny loholona, ny ekipan'ny Faritra Analamanga izay notarihan'ny Tale ara-bola, ny Tale kabinetran'ny Ministeran'ny Serasera sy Kolontsaina, Fikambanana FITIA ary ny ekipan'ny CRCO. Tokantrano miisa 4300 eny amin'ny kaominina Ankaraobato no misitraka izany, ho avy ary hitohy ny fizarana ho an'ny kaominina hafa eny amin'ny Distrika Atsimondrano rehetra, hoy ny tatitra. Miezaka maneho ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, fa miasa sy mitsinjo ny vahoaka. Na izany aza, dia adino tanteraka izany fepetra ara-pahasalamana, toy ny tsy fahafaha-mamory vahoaka mihoatra ny 50 izany, ny elanelana iray metatra,… Niainga tany amin’ny Filoha ny tsy fampanajana an’io, ary lojika raha mandeha ho azy ho an’ny manam-pahefana hafa isan-tsokajiny. Ny manahirana dia ny hoe: ny fiangonana tsy maintsy maka alalana any amin’ny Prefektiora sy ny CCO, na ao anatin’ny fanajana fepetra aza, fa ny manam-pahefana mety foana izay ataony. Eto Madagasikara tokoa isika!

 

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT