Sosialy

Famonoana an’i Estellah kely Telo ireo olona nampidirina am-ponja hatreto


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Telo hatreto ireo olona nampidirina am-ponja eny Antanimora vokatr’ilay raharaha famonoana zazavavy kely iray vao efa-taona

 

 

monja nitranga teny Anjanadrambony Ambavahaditokana ny 26 desambra lasa teo. Raha tsiahivina, tsy hita ity zazavavy kely ity ny datin’ny 24 desambra raha tsy nisy tao an-tokantrano avokoa ireo ray aman-dreniny noho ny asa fitadiavana. Ny 26 desambra vao hita izy saingy efa tsy nisy fofon’aina intsony ka ny atin’akanjony no namatoran’ireo tsy mataho-tody ny tendany. Teny Faliarivo Ampitatafika no hita ny razana. Niainga teo ny famotorana nataon’ny mpitandro ny filaminana niampy ny ahiahin’ireo ray aman-drenin’i Etsellah ka tovolahy iray vao 14 taona monja niaraka tamin-dreniny no nampidirina am-ponja, fotoana vitsy taorian’izay. Iray tanàna amin’ireo nanana ny maty ihany ireto farany. Nilaza mantsy io tovolahy kely io fa saika hanolana an’i Estellah kely ary ny reniny no nampirisika azy tamin’izany. Ny datin’ny 11 febroary teo no niakatra fampanoavana izy ireo ka raim-pianakaviana iray izay efa nanana olana tamin’ireo ray aman-drenin’i Etsellah ihany koa no nampidirina am-ponja. Mpiara-monina ihany izy ireo raha araka ny fanazavan’ny dadan’i Etsellah ary efa tena nahiahiany hatramin’izay.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT