Sosialy

Famonoana an’i Estellah kely Olona mpianaka no nampidirina am-ponja vonjimaika


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Zazalahy kely vao 14 taona monja niaraka tamin-dreniny manodidina ny 60 taona no nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora

 

 

 

 

taorian’ilay raharaha famonoana an’i Estellah, ilay zazavavy kely vao 5 taona monja iray vodirindrina amin’izy ireo  eny Anjanadrambony Itaosy ny faramparan’ny taona 2019 teo ary hita faty teny Ampitatafika.  Ny 10 janoary izy mianaka ireto no nampidirina am-ponja, raha araka ny fanazavan’Atoa José, rain’Itompokovavikely taminay omaly taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana.  Nalaina am-bavany ihany koa mantsy izy ireo noho ny ahiahiany izay tsy niala tamin’ireo iray vodirindrina aminy. Rehefa nanontaniana ilay tovolahy kely dia nilaza fa vao saika hanolana ilay tsy manan-tsiny izy ka  ny reniny no niray tsikombakomba saika hanao izany. Ity farany moa raha tsiahivina no nilaza tamin’ireo Ray aman-drenin’i Estellah fa tamin’ny 12 ora atoandro no nanomboka tsy hita teo an-tanàna tamin’ny 24 desambra fotoana nahaverezany ary somary tsy salama. Nomarihin’Atoa José, rain’i Estellah fa misy ambadika hatrany raha ny eritreriny iny famonoana an-janany iny saingy ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana no aoka hanamarina izany. Amin’ny 11  febroary ho avy izao no hiakatra ny fitsarana ny raharaha ka anisan’ny tafiditra ao anatin’izany izy mianaka nampidirina am-ponja vonjimaika ireto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT