Sosialy

Famonoana afo Maro ireo fitaovana azo ampiasaina


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ireo manampahaizana amin’ny ady amin’ny afo eto amintsika.

 

 

 Orinasa iray no fantatra fa namoaka karazana “boule” kely hatsipy ao amina toerana iray misy firehetana ka raha vao mipoaka izany dia mitsahatra ny afo. Hampahafantarina ny isan-tokantrano etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely  izany 23 septambra ho avy izao, hetsika iray hihaonan’ny sampana mpamonjy voina amin’ny vahoaka ihany koa. Arahina adihevitra lehibe izany, entin’izy ireo hanatsarana hatrany ny tolotra omena ny mpanjifa. Amin’ny ankapobeny, saika mahazo fanakianana hatrany ny mpamonjy voina manoloana ireo asa hatrehiny amin’ny andavanandro. Lohalaharana amin’ireny ny fahatarana ankoatra ny fisian’ilay solika tsy maintsy aloa ho an’ireo faritra ivelan’Antananarivo raha sanatria ka misy hain-trano mitranga. Hitondra fanazavana mikasika izany koa ny sampana mpamonjy voina. Vonona ny handray ireo orinasa hiara-kiasa aminy amin’ny ady amin’ny afo ny sampana mpamonjy voina. Ny 13 oktobra ho avy izao vao hofaranana tanteraka ity hetsika karakarain’ny sampana mpamonjy voina ity amin’ny alalan’ny hazakazaka, izay samy tafiditra ao anatin’ny faha-70 taona niorenany avokoa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT