Sosialy

Famonjena voina mandritra ny fety Hampitombona avo roa heny ny ekipa


  • Alatsinainy 30 Desambra 2019

Na dia efa niasa mafy aza ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana nandritra ny fetin’ny Noely teo dia mbola hiasa mafy

 

 

 

 

 

ihany izy ireo amin’ity herinandro ity mandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona rahampitso Talata sy ny taona vaovao afaka rahampitso Alarobia. Raha araka ny fanadihadiana natao dia hampitomboina roa avo heny ireo ekipa hiasa mandritra ireo roa andro ireo ary aorian’izany dia mbola hifanome tanana amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra izy ireo amin’ny fanadiovana ny tanàna. Anisan’ny asa efa niantsorohan’izy ireo ohatra ny fanapahana ireo hazo hita fa tena antitra eto an-drenivohitra  ka ahiana handratra olona mandritra ny fety….Izany no hatao hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny sampana mpamonjy voina hatrany dia hahafahana manome fahafaham-po ny mpiara-belona. Miantso ireo sanatria tojo loza na mahita trangan-javatra toy ny haintrano araka izany ny sampana mpamonjy voina mba hiantso tsy amim-pisalasalana  ny laharana maitso 118. Mikasika ny asa notanterahin’izy ireo kosa dia fantatra fa tamin’ity taona 2019 madiva hivalona ity no tena mafy sy betsaka indrindra  izany saingy na izany aza dia tratra 100 % ny tanjona napetraka.

 

 

 

Patty

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT