Famokarana sy fihariana

«Omen-danja ireo sopitr’i


  • Talata 16 Desambra 2025

Madagasikara sy ny fahaiza-manao Malagasy !»

Mila jerena ireo sopitra satria isika izao manafatra vary 8 alina taonina hatramin’ny 1 tapitrisa taonina, kanefa isika taloha mpanondrana, hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo nanamarika fa zava-dehibe amin’ny toekarena ny tanàn-dehibe, saingy tena zava-dehibe ny tontolo ambanivohitra izay misy ny 80% amin’ny vahoaka Malagasy izay tantsaha mpamokatra ny ankamaroany. Mila jerena ireo sopitra toa an’i Mandritsara, Bealanana, Marovay, Beroroha, Ambatoboeny,… Miezaka mampirisika ny Malagasy hiverina amin’ny zavatra hainy sy ny nenti-paharazana satria isan’ny zavatra ny governemanta satria isan’ny tena manarika antsika Malagasy ny rano sy vary. Manana talenta na « génie » isika, toy ny SRI (System of Rice Intensification) izay famokarana niala tao anatin’ny vokatra kely 2 taona isaky ny hekitara fa mba niakatra ambony, saingy toa najanontsika, ka mahagaga fa najanona na nariantsika, dia ny vahiny indray no lasa mirehareha. Lasa tsy mahay miaro ny zavatra haintsika isika, dia lasa ny fahaizantsika indray no ireharehan’ny olona. Tsy tokony hariana ny fahaizantsika, raha ny nambaran’ny Praiminisitra. Ity farany izay nanamarika ihany koa fa tena ilaina ny « dignité humaine » na ny fijerena ny maha olona, ka mametraka ny lanjan’ny Malagasy eo amin’ny taniny. Mba mandray ny adidiny hamorana asa amin’ny alalan’ny orinasa madinika sy salantsalany mba hiteraka asa sy vola miditra na « valeur ajoutée ».
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT