Sosialy

Famokarana saribao ekolojika Mbola malalaka ny tsena


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Isan’ny mampirisika ny famokarana sy fanjifana saribao ekolojika, ankoatran’ny minisiteran’ny tontolo iainana ny ankamaroan’ireo mpisehatra eo amin’izany tontolo iainana izany ankehitriny.

 

 

 

 

Aza adino fa miankin-doha tanteraka amin’ny tontolo iainana ny fiainantsika, hoy i Desiré Rakotomalaza, filoha mpanorina ny tetikasa C-SPEM izay tetikasa isan’ny mamokatra saribao vita amin’ny zava-maniry anaty rano sy fako isan-karazany etsy amin’ny ivon-toeran’ny zavakanto malagasy, route digue, Antananarivo. Mahalany hazo milanja 250 kg isan-taona, raha mampiasa saribao vita amin’ny hazo ny olona iray, hoy ny fanazavany. Mbola malalaka anefa ny tsena hamokarana saribao tsy manimba tontolo iainana, hoy izy, ary antony hanomezanay fampiofanana momba izany. Raha ny fampahafantaran’ny minisitera kosa dia misy fikambanana mamokatra saribao ekolojika vita amin'ny mololo ihany koa ao Analalava, izay sady mampihena ny doro tanety sy ny famotehana ala no mampihena ny fandanian'ny tokantrano satria mora lavitra noho ny saribao mahazatra ary mamorona asa hoan'ny mponina indrindra ny tontolo ambanivohitra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT