Sosialy

Famokarana masomboly eto an-toerana Manome tanimbary ny sehatra tsy miankina ny fanjakana


  • Zoma 23 Septambra 2022

Efa misy andrana atao ankehitriny any amin’ny faritr’i Menabe sy SAVA mba hahafahana mamokatra masombolina vary safiotra, hoy ny tomponandraikitry ny serasera,

eo anivon’ny vondron’orinasa mpamokatra izany na STOI, Tahiana Razanamahefa. Ny fanjakana, hoy izy, no manome ny tanimbary any amin’ny foibe fampiroboroboana masomboly na “centre multiplicateur de semence” na CMS hahafahan’ny sehatra tsy miankina manaparitaka izany masomboly izany. Miisa 9 izao ny CMS any Morondava. 50.000 taonina eo no vina tratrarina amin’ity taona 2022 ity. Ho avy atsy ho atsy ny 100 taonina ezahana haparitaka amin’ny faritra efa misy ny STOI. Iny faritr’I Morombe, Ambahikily, Atsimo andrefana iny efa nahitana vokatra vary safiotra 14 taonina isaky ny hektara ny taona 2018 teo ho eo satria izahay moa ny taona 2017 no nanomboka namokatra azy io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT