Sosialy

Famokarana herinaratra - Jirama Tsy mahatosika tsara intsony ny milina


  • Zoma 22 Janoary 2021

Efa ela ihany izao no niaina anaty fahoriana ny mpanjifa JIRAMA eto Antananarivo sy ny manodidina.

 

 

 

 Ary tato anatin` ny andro maromaro no tena niha mafy ny fanapahan-jiro. Saika tapaka isan`ora ny herinaratra ary indraindray maharitra 24 ora. Araka ny fanazavan` ny tale jeneralin`ny Jirama, Vonjy Andriamanga, tamina onjam-peo iray omaly, antony telo ny mahatonga izany: ny fiovan` ny toetry ny andro no miteraka izay fahatapahn-jiro lavareny izay; faharoa, ny tsy fahampian` ny tosika avy amin` ireo milina mamokatra herinaratra; fahatelo, tsy maintsy miroso amin` ny fanapahan-jiro ny jirama rehefa misy kotroka mba hisorohana izay mety ho hisian` ny fahasimbana eo amin`ny fitaovana ampiasaina. “Ny tambojotra rehetra dia eny ambonin` ny andrin-jiro. Misy “dispositif” harovana amin` ireo fitaovana ireo. Rehefa misy kotroka mafy be dia tsy maintsy tapahina mba iarovana ny mpanjifa sy ny fitaovana. Raha tamin` ny taon-dasa no niresaka herinaratra isika dia nisy faritra tapaka isan`andro. Amin`izao anefa dia tsy misy faritra iray tapaka jiro fa miaraka avokoa” hoy ny ny fanampin-panazavana. Ankoatra ny jiro moa dia misedra fahasahirana amin’ny rano ny mpanjifa. Matetika ny fahatapahana, ary misy mihitsy azy tsy miakatra intsony ny rano eny amin` ireo paompy sy isan-tokantrano.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT