Sosialy

Famokarana herin’aratra amin’ny alalan’ny toha-drano Manankarena toerana i Madagasikara


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Natolotra sy nampahafantarina omaly Zoma 30 Novambra tetsy amin’ny ministeran’ny angovo etsy Ampandrinomby ny fampahafantarana ny drafitra ho amin’ny fampiroboroboana ny fitaovana vaventy entina mamokatra herinaratra amin’ny alalan’ny toha-drano.

 

 

 

 

 Naseho tamin’izany ny sarintany izay nahafahana mahita fa manankarena toerana ahafahana mamokatra herin’aratra goavana tokoa i Madagasikara.  Ohatra amin’izany i Mahavola, ankoatra ireo maro hafa, izay toerana eto andrefan’Antananarivo ihany nefa ahazoana  toha-drano izay miteraka herin’aratra lehibe . Nanambara ny Minisitry ny angovo, Rasoloelison Lantoniaina fa efa ananana ny fitaovana ahafahana manapan-kevitra sy ireo toerana fa anjaran’ny Malagasy ny mitady ny vola ahafahana mihetsika sy manodina amin’ny tokony ho izy izany. Tsy maintsy hafainganina hoy izy ny fitodihana sy  ny famaranana ny fiampitan’I Madagasikara amin’ny angovo azo avaozina. Amin’ireo harena miteraka  fanangonana herin’aratra lehibe eto amin’ny firenena ireo dia hahazo herin’aratra mora amin’izay ny Malagasy. Tsy maintsy hihazakazahana faran’izay haingana ny hahavitan’ ireo toha-drano ireo anatin’ny 2 taona mba ahafahana mahazo sy mampihena ny saran’ny herin’aratra azo avaozina. Rehefa izay dia hisy fiatraikany amin’ny fanafarana solika ataon’I Madagasikara izany satria mety tsy anafatra intsony ny firenena ary  amin’izao fotoana izao dia efa  eo am-pandinihina izany mihitsy ny fanjakana hoy hatrany ny minisitra. Tanjona ny hisian’ny tombotsoan’ny mpanjifa sy ny fanjakana ary ireo ireo mpamatsy solika ahazoana ny tena vidy marina (verité des prix). Tsy afaka sady hanao fanampiana ara-bola amin’ny jirama no sady hiantsoroka ny resaka solika ny fanjakana satria tsy ho tratra sy ho vita izany ary izany no antony hanaingana haingana ny famokarana eto an-toerana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT