Sosialy

Famokarana fanampin-tsakafo Hisy orinasa hatsangana any Atsimo


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Nisy omaly talata 7 janoary ny dinika arak’asa niarahan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny delegasionina avy amin’ny Fondation Mérieux,

 notarihin’ny filohany M. Alain Mérieux. Niompana tamina fiaraha-miasa hoenti-manatanteraka tetikasa goavana ara-tsosialy. Fanohizana ny fifampiresahan’ny roa tonta nandritra ny fivoriana faha-6 momba ny fanaovazana ny tahirim-bola maneran-tany momba ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/SIDA, ny raboka ary ny tazomoka tany Lyon Frantsa io. Navoitra, fa hisy ny orinasa na ozinina hatsangana any atsimon’ny Nosy hoenti-mamokatra fanampin-tsakafo hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ka vonona hanampy an’i Madagasikara amin’izany ny Fondation Mérieux, raha ny fanazavana. Noresahina ihany koa ny ho fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Groupe Nutriset, izay namorona azy io ny Fondation Mérieux. Marihina fa misehatra amin’ny resaka sakafo sy fampisitrahana sakafo manaraka kalitao io vondron’orinasa io, ka hanao fanadihadiana sy hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny fananganana ilay orinasa any Atsimo. Hatramin’ny faran’ity taona ity no hametrahana azy io ary hisy ny rantsana madinika (unités mobiles) hiparitaka manerana ny Nosy. Ny “Unité Mobile” iray dia afaka handray an-tanana zaza 5000, hoy ny fanazavana. Hiara-kiasa amin’ny fanjakana sy ny fikambanana Fitia tarihin’ny vadin’ny filoha ny Nutriset amin’ny fanatanterahana io tetikasa io.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT