Sosialy

Famokaram-bary Ny tany mbola malalaka fa ny teknika no mila hatsaraina


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Lasan-drizareo nizerianina hatreto ny amboaran’ny famokaram-bary aty Afrika, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo.

Mahavoka-bary 8 tapitrisa taonina isan-taona ity firenena ity raha toa ka tombanana afaka hamokatra amin’ny taha avo indrindra, hatrany amin’ny 14,6 tapitrisa taonina isan-taona ny tany Afrikanina. Voadingan’i Nizeria izany i Egipta, izay tompondaka farany. Etsy ankilany dia azo lazaina ho mbola lavitra ezaka kosa isika eto Madagasikara eo amin’izay lafiny famokaram-bary izay satria raha voalaza ho manana tanimbary 1,3 tapitrisa ha isika hatreto dia mbola tsy mahavokatra afa-tsy 4.000.000 taonina, raha ny tarehimarika voaray farany. Raha ny atrikasa natao farany mikasika izay fahavitan-tena ara-tsakafo izay natao ny 2 Aogositra 2022 teo tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano dia ezaka atao ny hamokarana hatramin’ny 6.000.000 taonina amin’ny taona 2023 sy ny hampiakarana ny famokarana 10% isan-taona hatramin’ny taona 2027 mba hahafahan’i Madagasikara manondrana vary indray sy ny ho sompitry ny ranomasimbe indiana.

Raha mahavita 6 taonina isaky ny hekitara amin’ilay velarantany ampiasaina ankehitriny hambolem-bary izay 1 300 000 hekitara i Madagasikara dia efa mahatratra ny vokatra vitan’i Nizeria ary ampy vary tsara.Tena mbola midadasika i Madagasikara fa ny teknikam-pambolena no mila hatsaraina raha te hahazo vokatra tsara kokoa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT