Sosialy

Famoizam-po Novonoiny ireo zanany, namono tena izy avy eo


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Vehivavy iray, 23 taona niaraka tamin’ny zanany mianadahy kely vao 3 taona sy 7 volana ilay vavikely, ary 2 taona ilay lahikely,

 

 

 

 

 no hita faty teo amin’ny dobom-bazaha, Fokontany Antsahanatoby, kaominina Ambohimiadana, Distrik’Andramasina. Nisy hafatra nisoratra teo amin’ny vato nanakaiky azy ireo milaza fa « mafy loatra ny mahazo anay », izay nanaovan’ny olona tombana fa famonoan-tena noho ny famoizam-po no anton’izany.Betsaka mantsy amin'izao fotoana ireo sahirana ara-pivelomana, very asa ka mitarika olana ao anaty tokantrano izany ary mety hiafara amin'ny fanilikilihana sy ny ady mihitsy.Tsy vitsy ihany koa ireo mpivady no mifandramatra lava noho ny fahasahiranana ary dia mitsoaka miala andraikitra ny iray avy eo.Nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana, ka aorian’izay no hahafantarana ny antony sy ny ao ambadik’izao loza mahatsiravina izao; satria tena zavatra goavana sy mavesatra matoa renim-pianakaviana mahavita mamono ny zanany mianadahy izany

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT