Sosialy

Famitaham-bahoaka goavana Hohavaozina indray ny “Permis de conduire Biométrique”


  • Alakamisy 04 Oktobra 2018

Nampahafantarina tetsy Ambohidahy omaly fa mbola hohavaozina indray ireo taratasy fahazoan-dalana hamily fiara sy fanamarinana ny fisian’ny fiara biometrika (permis de conduire biométrique et carte grise) izay efa nilaharana volana maro nanomboka nangiran-dratsy tamin’ny fotoan’androny.

 

 

Antony, hoy ny fanazavan’ny tale jeneraly misahana ny lafin-tany eto amintsika, Théodore Andriamahenina, dia satria tsy nipetraka ny fenitra na singa maha biometrika ireo taratasy teo aloha. Tsy ho ela fa mety ho afaka 2 na 3 herinandro eo dia hiatomboka izay hetsika fanavaozana izay, raha ny fanazavana. Tsy tokony hanana ahiahy kosa anefa ireo efa nahazo izay teo aloha izay satria dia hohavaozina maimaimpoana ny azy ireo. Tsy miova kosa, raha ny tokony ho izy, ny saran’ny fanaovana izany ho an’ireo izay tsy mbola nahazo. Entanina, hoy ny tomponandraikitra, mba hanaja ny fotoana ahafahana manatontosa ny fangatahana ireo mila izay fanavaozana karatra izay mba hisorohana ny filaharana amin’ny mangiran-dratsy toy ny teo aloha.Maro ny olona tena sosotra omaly raha nahare ity vaovao ity satria tena nampijaly, nandany vola sy fotoana tamin’ny fanaovana ilay hoe karatra biometrika teo aloha, izay nohizingizinin’ireo tompon’andraikitra fa hoe tena izy io ary manara-penitra na dia efa maro aza ny ahiahy sy fanakianana mavaivay tamin’izany.Mazava ny resaka izao fa tena fanadalana saim-bahoaka ary nifangaro bizna no natao teto, manaporofo ny goragora amin’ny fitantanana eto Madagasikara sy fisian’ny fanjakana akamakama, ny vahoaka hatrany no mizaka ny mafy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT