Sosialy

Famitaham-bady Nahavita nangalatra zaza menavava ilay vehivavy


  • Alarobia 30 Jona 2021

Vehivavy namitaka ny vadiny ary nilaza fa bevohoka no anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fahaverezana zaza menavava vao teraka tao amin’ny hopitalin’Andapa

. Araka ny vaovao avy any an-toerana, dia efa ela nitady zaza io vehivavy io sy ny vadiny. Namitaka sy nandainga tamin-drangahy anefa ilay vehivavy, ary nilaza fa nitoe-jaza. Hainy ny nanafina izany nandritra ny volana maro ary tamin’ity volana jona ity, dia nilaza fa hiteraka sy hifana any amin’ny rahavaviny izay monina ao an-tampon-tanànan’Andapa izy. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no namantarana fa rehefa tonga tany amin’ny rahavaviny tao Andapa izy dia niara-niketrika vahaolana, hamitahana ilay vadiny. Nijery sy nikaroka ny fomba rehetra izy ireo, ary ilay rahavaviny no nangalatra zaza vao teraka tao amin’ny hopitaly iray ao Andapa. Zaza vao teraka herinandro no nangalarin’ilay rahavaviny, ny 18 jona lasa teo. Mody namangy izy ireo ary nitondra zaza nitsoaka an-tsokosoko. Nisy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana ka tany amin’ny tanàna kely atao hoe Ambodimangahely no saron’ny polisim-pirenena any an-toerana izy ireo. Voasambotra avy hatrany ilay ramatoa sy ilay rahavaviny. Salama tsara ary naverina tamin’ny tena ray aman-dreniny kosa ilay zaza vao teraka, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT