Sosialy

Famindrana ireo mponina tao Fascène Gare Nandany 2,7 miliara Ar ny Ravinala Airports


  • Talata 02 Martsa 2021

Nofaranan'ny orinasa Ravinala Airports tamim-pomba ofisialy ny zoma 26 febroary teo tamin’ny alalan’ny fizarana kara-tany ny famindràna an'ireo

 mponina tao Fascène Gare Nosy Be Hell Ville taloha, nankany amin'ny tanàna vaovao ao "Pont Valiha". Raha ny tantara, voasafidy ary nanao sonia fifanaraham-pitantanana tamin’ny fitondram-panjakana ny orinasa Ravinala Airports ny taona 2015 mahakasika ny famatsiam-bola, ny fanamboarana, ny fampiroboroboana, ny fampiasana, ny fikojakojana, ny fikarakarana ary ny fitantanana an'ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenen'Antananarivo sy Nosy Be. Noho ny fanajariana, dia nisy ny famindrana toerana. Tokantrano miisa 65 no voakasiky ny tetikasa ary nafindra tamin'ny tany voajary 2 Ha ao Pont Valiha, nanomboka ny desambra 2019. Io tany io dia azon'ny Fanjakana ny 07 jona 2018. Nozaraina roa ny dingana famindrana: ny 2016 ka hatramin’ny 2019 tao amin’ny Pont Valiha ny voalohany. Nisy ireo asa nataon'ny Ravinala Airports nahafahana nanajary an'ilay tanàna vaovao, toy ny fanamboarana làlana, toerana fiondranan’ny rano, toeram-pidiovana, toerana fiandrasana taksibe, fampidirana jiro niaraka tamin’ny JIRAMA,… Nomen’ny CPGU fiofanana manodidina ny fananganana trano mahazaka rivo-doza izy ireo. Ny karazana fifindrana faharoa, izay noho ny antony ara-ekonomika dia natao ny taona 2019 ka hatramin’ny 2021. Nandritra izany, nanome fanampiana ara-tsakafo, an'ireo mponina, izay ilainy amin'ny fiainany andavanandro ny Ravinala Airports. Mizara ny fanampiana andiany faha-35 ankehitriny ny orinasa. Ary farany, ny tetikasa famerenana ny foto-pivelomana nahafahana nanampy an'ireo mponina tamin'ny alalan’ny Fanomezana asa azy ireo.

 

Efa tanteraka avokoa ireo antan-tohatra 7 tamin'ny famindran-toerana ireo mponina, araky ny fenitry takian’ny SFI sy ny lalàna misy eto Madagasikara. Nanolotra fanalahidy izay mariky ny fifaranan’ny famindra-monina ho an’ireo vahoaka tao Fascène Gare tamin’ny Ben’ny Tanàna ihany koa ny Tale Jeneralin’ny Ravinala Airports. Nampiasana vola mihotra ny 2.700.000.000 Ar ny fanatanterahana io tetikasa io, raha ny fanazavana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT