Sosialy

Fametrahana vola amin’ny banky “Mbola ezaka mafy ny fampianarana ny malagasy”


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Tratranay 100% ny noeritreretinay natao tao anatin’izay 6 volana nijoroan’ny banky malagasy 100% NIM na “Nouvelle institution de micro finance” izay, hoy ny tompon’andraikitry ny seraseran’izy ireo, Rija Disaine.

Vinavina ny hanokatra ivontoerana na “agence” miisa 14 eto Madagasikara, hoy izy. Misy anankiroa izany izao eto Antananarivo dia ny etsy Ambohidahy sy eto Andavamamba. Ankoatran’ireo dia efa misy koa I Fianarantsoa, Ihosy, Ambalavao, Manakara, Mananjary, Toamasina, Antsiranana, Mahajanga, Toliara. Mieritreritra hanokatra 9 indray izahay amin’ity taona 2023 ity. Efa nahazo mpanjifa miisa 4873. Tanjona koa moa ny hampitombo asa eto Madagasikara. Miisa 117 izany izao no miasa amin’ireo ivontoerana ireo ary ireo mponina avy ao an-toerana ihany. Mitentina 1,2 miliara Ariary any izao ny vola efa nampindramina tato. Mbola mila fanabeazana be kosa isika malagasy mikasika ny fanaovana petra-bola. Ary isan’ny tanjona izay hoe ahoana no atao ahafahan’ny malagasy mametraka vola aty amin’ny banky. Mbola vitsy ireo malagasy sahy mametraka ny volany aty amin’ny banky ahafahany manao tahiry? Na maro aza ny fanentanana hoe 100% malagasy ilay izy dia mbola tsy tafiditra amin’izay ny toetsain’ny malagasy amin’ny ankapobeny. Saika hihindram-bola foana matetika no hakanesan’ny olona aty amin’ny banky. Tena tsy ampy fampianarana amin’io fametrahana vola amin’ny banky io isika malagasy ka mbola mila ezaka mafy izahay aty amin’ny sehatry ny banky amin’izay lafiny fampianarana izany izay na ilay antsoina hoe “éducation financière”. Izahay moa miompana amin’ny fanampiana tantsaha fa na aty ambanivohitra aza io mbola tantara be. Any ambanivohitra izy mbola betsaka kokoa. Vitsy koa moa ny malagasy sahy miditra amin’ny sehatra ara-dalana fa saika tsy manara-drafitra na “informel” no betsaka eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Rija Disaine
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT