Sosialy

Fametrahana pylone ao Ambodiafontsy Tsy afa-manoatra amin’ny ataon’ny fanjakana ny kaominina


  • Alakamisy 12 Mey 2022

Tsy afa-manoatra amin’ny hafitsoky ny Fitondram-panjakana ny kaominina Ampitatafika manoloana ilay pylone najoron’ny Ministeran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra an-tery setra ao amin’ny Fokontany Ambodiafontsy.

Efa vita tanteraka mantsy ny fametrahana ity foto-drafitrasa ity no sady natao haingana raha araka ny fitarainan’ny fokonolona. Tao anatin’ny herinandro monja izany dia efa mijoalajoala ilay pylone, izay marihina fa naorina eo amin’ny faritra misy ny tokontanin’ny zandarimariam-pirenena, ny CSB II raha misy EPP ihany koa eo akaikiny toerana izay tena be olona tokoa. Efa nisy ny hetsika fanangonan-tsonia nataon’ny fokonolona nentina nandavana izany izay efa nahatratra an-jatony. Efa nisy ihany koa ny fivoriana niarahana tamin’ny Ben’ny tanana sy ny ARTEC ary ireo olobe tao an-tanana ary efa namoaka taratasy ny amin’ny tokony hanajanonana ny asa ny kaominina saingy tsy nisy vokany izany. Roa andro monja mantsy no niato ilay asa dia nitohy ary tena hainganabe ka tsy nijanona raha tsy vita hatramin’ny farany. Mbola tsy nahazo alalana avy tamin’ny kaominina anefa ilay orinasa nanao izany. Tsy mbola nandoa ny vola saran’izany tokony alohany eo anivon’ny kaominina ihany koa izy ireo fa nandalo nanontany fotsiny dia izay raha araka ny fanadihadiana natao. Nanamafy moa ireo fokonolona ao Ambodiafontsy fa hihamafy ny hetsika hataon’izy ireo amin’ny fanoherana ity pylone najoro ao amin’ny faritra misy azy ity raha toa ka tsy mandray ny andraikiny ny Fitondram-panjakana. Efa nisy hoy izy ireo ireo mpitandro ny filaminana nalefa tety Ambodiafontsy mba tsy hahafahanay mihetsika saingy hijoro hatrany izahay ho fiarovanay ny fahasalamanay sy ny taranakay.
Pati
Legende : Efa avobe tahaka izao ilay pylone ao Ambodiafontsy
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT