Sosialy

Fametavetana zaza tany Nosy Mitsio Miantso ny Soisa hijery ny raharaha ny GIHTNB


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Mipoitra indray ny raharaha fametavetana ankizy kely any Nosy Mitsio, Nosy-Be, izay mahavohirohy teratany Soisa iray. Taorian` ny fivoahan` ity resaka ity tamin` ireo haino aman-jery,

 

 

naka fepetra ny GIHTNB (Groupement Interprofessionnel de l’Hôtellerie et du Tourisme de Nosy-Be) amin` ny fampandrenesana ny kaonsily soisa monina sy miasa eto amintsika. Nandefa taratasy izy ireo ka manao antso avo mba hijerevan` ny kaonsily akaiky ny raharaha. Voalaza ao anatin` izany taratasy izany fa io teratany Soisa io dia efa voapanga nanolana ankizy vavy kely maro nandritra ny 15 taona. Raha tsy misy fepetra raisin` ity kaonsily ity, hoy ny GIHTNB dia azo raisina ho mpiray tsikombakomba amin` ity olon-dratsy ity noho ny fiarovana azy satria aty amin` ny firenena mahantra no mitranga ity raharaha ity. Marihana fa tamin` ny taona 2008, dia nisy fifanarahana nataon` ireo mpikambana eo anivon` ny GIHTNB mahakasika ny ady amin` ny fizahan-tany ara-nofo sy ny fampiroboroboana ny fizahan-tany eto Madagasikara. Noho izany, zo sy adidin` ny GIHTNB no misintona lakolosy amina tranga toy izao noho ny antony hijorony. Andrasana, araka izany, ny fanadihadiana sy ny fivoaran` ity raharaha ity.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT