Taorian’ny fankatoavana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny fepetra famerana ny vidin'entana, natomboky ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny fifampidinihana amin’ireo mpanafatra entana ilaina andavanandro (PPN).
Nihaona tamin’ny mpanafatra entana lehibe ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana omaly 31 marsa 2022. Nifampidinihana miaraka ny famerana ny vidin’entana ambony indrindra (plafonnement des prix et plafonnement des marges) mandritra ny telo volana. Voakasik'izany ny menaka, ny siramamy, ny lafarinina, ny savony ary ny zezika. Efa nampahafantarina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny hisian’ny fivoriana lehibe miaraka amin’ireo mpandraharaha, ahafahana miroso amin’izany « plafonnement » izany. Tsy ny mahafaty antoka ny mpanafatra entana no tanjona, hoy hatrany i Edgard Razafindravahy, fa ny ahazoan’ny rehetra tombony nefa tsy mampijaly ny vahoaka Malagasy. Mila jerena ihany koa ny ahafahana mampidina ny vidin’entana amin’ny alalan’ny fampiasana fomba fitaterana hafa. Ohatra ny famatsiana ireo tanan-dehibe izay manana seranana amin’ny alalan’ny sambo : Mahajanga, Antsiranana, Toliara… Ohatra ihany koa ny fivondronan’ny mpanafatra entana ka hiray sambo ny PPN ho an’ny toerana iray. Raha mbola hitohy rahampitso izany fivoriana izany dia efa nisy sahady soso-kevitra naroson’ny mpandraharaha ny mahakasika ny « frêt maritime » na ny vola aloha amin’ny sambo. Ho sokajiana tsara izany ireo entana izay ho ferana ny vidiny avo indrindra, amin’ny alalan’ny anarany, ny kalitaony sy ireo toetoetra ara-teknika mahakasika azy. Raha ny siramamy ohatra dia efa voafaritra fa ilay ICUMSA 035 na 045 no ho voakasik’izany "plafonnement" izany. Maro koa ny manamarika ankehitriny, fa ny resaka ambony latabbatra aloha izao, dia hita taratra tokoa, fa ny tena fampiharana azo tsapain-tànana matetika maivana. Sarotra rahateo ny fanaraha-maso, ary tsy vitan’ny roa na telo andro. Mila fifanomezan-tànana sy fanetsehana ireo ambaratongam-pahefana sy vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana, raha tiana tsy hijanonana ho resaka mbola latabatra fotsiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.