Sosialy

Famerana ny vidim-bary ho 550Ar Tsy nisy nanaraka aloha hatreto


  • Alatsinainy 07 Desambra 2020

Ny takarivan’ny zoma 04 desambra lasa teo no nilazan’ny Praiminisitra Ntsay

 

 

 

Christian, fa ferana ho 550Ar ny kapoakan’ny vary raha be indrindra. Nambara fa efa nanaiky izany ireo solontenan’ny mpandraharaha, ary ny sabotsy teo dia efa mihantra io fepetra io. Tamin’ny ankampobeny, tsy nisy nanaraka ny baiko midina sy ny toromariky ny ankamaroan’ny grosista sy ny mpaninjara tamin’ny ankampobeny. Saika mitovitovy avokoa ny fanazavana, dia ny hoe tamin’ny alalan’ny mason-karena ambony no nandraisana ny vary, ka tsy afaka hivarotra fantiantoka velively. Manodidina ny 600 sy 700Ar ny kapoakan’ny vary ny sabotsy sy alahady teo, ary milaza ireo mpivarotra fa 50 hatramin’ny 90Ar raha be indrindra ny tombony alain’izy ireo. Maro ny maneho, fa tsy vitan’ny baiko midina fotsiny io, eny fa na nisy aza ny fandefasan’ny Minisiteran’ny varotra (MICA) mpanara-maso tamin’ny faritra vitsivitsy teto an-dRenivohitra. Zary lasa mifanao saka sy voalavo fotsiny ny mpivarotra sy ny mpanara-maso.

APARITAHO NY MANERANA NY NOSY NY VARY

 Nilaza ny Praiminisitra, fa vary 100 000 taonina no nafaran’ny mpandraharaha. Mila aparitaka amin’ny grosista sy ny mpaninjara ny vary, ary tsy amin’ny renivohitra ihany fa manerana ny Nosy. Tsy vitan’ny baiko midina fotsiny tsy misy fijerena sy fandinihana ny mason-karenan’ny olona. Raha vitan’ny Fanjakana ny manaparitaka izany ho azon’ny rehetra, fa tsy kajikajy politika, toy ny fampilaharana olona eny amin’ny fokontany amin’ny vary mora, dia midina ho azy io. Tsy mahomby ny fanenjehana sy fifanaovana saka sy voalavo eo amin’ny mpivarotra sy ny MICA, izay azo ambara fa tsy hahavita hanara-maso manerana ny Nosy izany velively. Mila arahin’asa mifanaraka amin’ny zava-misy ihany koa ny baiko midina, fa tsy didin’ny besandry. Mbola tsy nihantra ny 550Ar ny faran’ny herinandro teo, ka dia andrasana indray ny amin’ity herinandro ity. Ny Antananarivo izany, fa ny any amin’ny faritra manerana ny Nosy, toy ny any Toliara manginy fotsiny, izay misy efa 1000Ar ny kapoaka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT