Famerana ny karaman’ny mpiasa

Nivoaka ny didy, ho tanteraka ara-bakiteny ve ?


  • Alarobia 17 Aprily 2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

ny karama farany ambany sy ny sokajin’asa eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nohamafisina araka izany, fa dia 262 800Ar ny karama farany ambany na SME (Salaire Minimum d’Embauche) ho an’ny sehatra tsy ara-pambolena, raha toa ka 266 500Ar kosa ho an’ny seha-pamokarana mikasika ny fambolena. Voafaritra ao anatin’io ihany koa ny karama arakaraka ny sokajin’ny mpiasa. Tsara ny manamarika fa nihatra nanomboka ny 01 martsa teo ity didy efa noraisina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ity. Efa nisy ihany koa moa ny fihaonana teo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana, ka nivoahan’ilay hoe : hakarina 10% ny karama farany ambany, ary arakaraka ny sokajin’asa kosa ireo mpiasa hafa. Miandry ny akony izany ny rehetra hoe : tanteraka ara-bakiteny sa hanao ahoana ? Tamin’ny jolay 2022 niakaran’ny vidin-tsolika teo amin’ny 45% mantsy no nandraisana fepetra tahaka izao, saingy tsy mbola nisy teo amin’ny tantara ny hoe: noferana ho 250000Ar ny karama farany ambany, kinanjo nilatsaka ho 238000Ar avy eo noho ny nafitsoky ny Fanjakana.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT