Fambolena sy ny fiovaovan'ny toetr'andro

Efa ahitam-bokany ny "Famokarana Matsilo"


  • Alarobia 20 Martsa 2024

Nandinika sy nandany ireo tetikasa mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro ireo

tambajotra sy Fivondronamben'ny tantsaha ahitana ny Fivondronamben’ny tantsaha soloan’ny SEKRITAMA, CPM, FIFATA, Réseau SOA, niaraka tamin'ny mpiara-miombon’antoka aminy omaly 19 marsa tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Tanjona ny mba hahafahana manatanteraka sy fijerevana ny hoe : inona ny fampiharan’ireo mpamokatra ilay teknika maoderina mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro? Inona ireo teknika ? Ahoana no ahafahana manaparitaka sy mametraka lalan-jotra politika sy ara-panjakana mifanaraka amin’ny famokaran’ireo tantsaha? Nohamafisin’izy ireo fa amin’izao fotoana izao dia tena miakatra be tokoa ny hafanan’ny tany, ka misy fiantraikany lehibe anivon’ny famokarana, fambolena, fiompiana, jono, ary manimba tanteraka mihitsy ny tontolo iainana sy ny zava-boary eto Madagasikara. Ireo fahazarana manao tsara dia hatsaraina mba hahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ireo fahazarana manao ratsy kosa dia havela mihitsy satria nanimba ny tontolo iainana, araka ny fanazavan’Atoa Mahefa Herinantenaina Filohan’ny SEKRITAMA sady mpikambana eo anivon’ny SAKAO Vondron’ny tantsaha Afrika Atsimo-Atsinanana, izay nanohana sy namatsy vola ny atrikasa. Vondron’ny Tantsaha 4 eto Madagasikara no mpikambana ao anatin’io. Nentina nanangonana sy hampivoarana ireo tetikasa sy paikady isan-karazany niarahana tamin’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana, ny Minisiteran’ny tontolo iainana, fa indrindra ireo mpisehatra isan-karazany toy ny Vondron’ny tantsaha izay mivondrona anatin’ny tranoben’ny tantsaha noho izany ny atrikasa natao. Ny tena zava-dehibe dia ilay hoe : « Famokarana Matsilo », izany hoe : miatrika ny tontolo iainana, miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ary miaro ny zava-boary sy ny harena voajanahary eto Madagasikara. Miezaka ny Minisitera sy ny Vondron’ny tantsaha hiala tsikelikely amin’ny fampiasana akora sy zezika simika, ka omen-danja ny fikarohana nentin-drazana sy ny fikarohana siantifika maro mba ho fanatsarana iarahana manao. Efa nisy fehin-kevitra tamin'ny taon-dasa saingy hatsaraina hatrany hihatsaran'ny vokatra. Ny faritra 23 no efa anaovana fampiharana, ary efa betsaka ny vokatra azo tamin’ny fampiharana ny teknika « matsilo » tamin’ny tontolo ambanivohitra toy ny lafiny kalitao, fahamafisana, faharetana, betsaka, mateza, azo tehirizina,… eo amin’ny vokatra, hoy ny tatitra
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT