Sosialy

Fambolena sy fiompiana Manampy ny tantsaha ny tahirim-bola FDA


  • Talata 03 Aogositra 2021

Manamora ny fisitrahan’ny mpamokatra ireo tolotra hahafahany mampitombo ny famokarany sy ny fidiram-bolany ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono amin’ny alalan’ny FDA na Tahirim-bola ho an’ny

 Fampandrosoana ny Famokarana, araka ny fampahafantaran’io Minisitera io. Ao amin’ny Faritra Androy, dia ny Fandaharan’asa FORMAPROD no manampy ny tanora amin’ny fananganana ny antontan-taratasy rehetra sy manao tantsoroka hahazoana tohana avy amin’ny FDA. Tanora tantsaha maro no efa nahita tombotsoa avy amin’izany. Anisan’izany i Mizapitoro, tanora avy ao amin’ny Fokontany Heba, kaominina Beara, distrika Amboasary Atsimo. Taorian’ny nisitrahany fiofanana momba ny fandraharahana sy GALS ary osy iray avy amin’ny Fandaharanasa FORMAPROD dia vola mitentina 1.500.000Ar no tohana azony tamin’ny FDA, nahafahany nividy osy 12. Efa manitatra ny fiompiany izy ankehitriny ka nividy omby iray, hoy hatrany ny fanazavana. Toy izany koa Mampila avy ao amin’ny Kaominina Andalatanosy, Distrikan’Ambovombe, Faritra Androy izay nahazo fiofanana momban’ny fambolena katra na voanjo sy fampitaovana toy ny angady sy tady ary masomboly avy amin’ny FORMAPROD. Efa nahazo tohana tamin’ny FDA izy nahafahany nanitatra ny famokarany nirosoany tamin’ny fambolena tongolo, raha ny fizarana nataon’io Minisitera io hatrany.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT