Sosialy

Fambolena sy fiompiana eto Madagasikara Mila matihanina ireo mpisehatra aminy


  • Zoma 07 Septambra 2018

Nampahafantarina omaly alakamisy tetsy amin’ny hotely Le Louvre Antaninarenina ny fisian’ny foara lehiben’ny fambolena sy fiompiana andiany faharoa (FIA).

 

 

 Hotanterahina ny 13 hatramin’ny 16 septambra eny amin’ny Forello-Expo Tanjombato ity hetsika hanome vahana ny tantsaha ity. Tanjona ny hamondronana sy hanetsehana ny tantsaha satria iaraha-mahalala fa izy ireo no maro an’isa ary mamelona ny Malagasy. Hisongadina amin’ity hetsika ity ihany koa ny fandraisan’anjaran’ireo sehatra tsy miankina maro izay tena ilaina ny amin’ny fampandrosoana io sehatra io. Ankoatr’izay dia hotarihina ho matihanina ary hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ity foara be ity ny mpamboly sy ny mpiompy eto Madagasikara. Lesoka hatrany mantsy ny tsy fisian’ny fiofanana sy ny fampiofanana azy ireo kanefa efa tokony ho hita eny amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra sy ny fandraharahana Malagasy. Hatao ihany koa ity hetsika ity ho fiaraha-miasa sy fanosehana ireo orinasa madinika ary ezahina mihitsy mba i Madagasikara no sompitry ny ranomasimbe Indiana amin’ny famatsiana ny vokatra. Ilaina hatrany ny foara sahala amin’itony satria iaraha-mahita fa tena marefo ny tantsaha Malagasy na amin’ny lafiny fitaovana na amin’ny lafiny fahaiza-manao. Ny sehatra sahala amin’izao no hijerena lalam-barotra sy famoaham-bokatra ary hisy akony tsara ho amin’ny fiainan’ireo tantsaha sy ny toekarena amin’ny ankapobeny

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT