Fambolena sy fandraharahana

“Andao ny tantsaha no hofanina sy hampiana”


  • Alarobia 23 Aogositra 2023

Naneho hevitra momba ny fanapahan-kevitra hanafaran’I Madagasikara katsaka 45000 taonina I Tahina

Razafinjoelina Kandida Filoham-pirenena natolotry ny vovonana Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana omaly. “Vina ny antsika, mampalahelo ilay hoe: hanafatra katsaka ka hovoina ve ny tantsaha Malagasy sy ny mpandraharaha Malagasy. Izaho tao anatin’ny sehatry ny katsaka ary mahalala tsara ny zava-misy, fa tamin’ity aho tsy nanao satria tsy azo afangaro ilay asa sy ilay eny amin’ny tantsaha. Na izany na tsy izany, dia hopotehina ve ny tantsaha sy ny mpamokatra Malagasy. Nohamoraina ny fampidirana ilay izy, izay tena mampahalahelo. Misy katsaka maro be, misy mpandraharaha manana katsaka any ka dia hovonoina ve izany izy ireny? Ho very asa?”, hoy izy. Tsy resahana intsony ny fitotonganan’ny vola Ariary eo anatrehan’izany. “Maninona raha ny mpandraharaha sy ny mpamboly eto no andao hofanina sy hampiana mba ahafahana mampitombo ny vokatra. Ny mifanohitra no tokony ho izy hoe: andeha isika mba hiezaka hanondrana fa izao dia hanafatra katsaka indray ny Malagasy. Misy miady hevitra amiko hoe: mihalafo ny vidin-katsaka, ka raha mba mahazo tombony ve ny tantsaha dia malahelo isika? Iza no mahazo tombony sa ilay orinasa lehibe hampiasa ilay katsaka mba hampidina ilay katsaka eny amin’ny tantsaha dia ireo izany no omena tombony fa isika tsy hiady ho an’ny Malagasy mihitsy? hoy hatrany I Tahina Razafinjoelina, izay nanipika fa adihevitra no atao fa tsy olona no iadivana ao anatin’izany.
Toky R
Sary fanehoana


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT