Sosialy

Fambolena sy fahavitan-tena ara-tsakafo Nanome fitaovana mitentina 7,5 tapitrisa dolara i Japon


  • Zoma 17 Martsa 2023

Nanolotra fitaovana hoenti-mamokatra samihafa ahitana “engin” sy fitaovam-pamokarana mitentina 7 536 723 dolara ho an’ny Fanjakana Malagasy ny firenena Japoney.

Nosoniavina omaly 16 martsa 2023 ny taratasy mirakitra izany, izay nifanaovan’ny Ambasadaoro Koji Abe sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny Yvette Sylla, ka nanotrona izany ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Harifidy Ramilison. Fanampiana nahitana zezika mineraly « sulfates d’ammonium », traktera 100CV miisa 9, traktera 30CV miisa 02, « Semoirs de 10 lignes » miisa 4, « charrues réversibles 11 isa, remorques 11, piqueuses 44, moissonneuses 08, riz destoner 08, grind Mill 06, motopompes 43, camion type cargo 4 tones 01, ary camion type cargo 2 tonnes 08. «Porofon’ny finiavan’i Japon amin’ny fanohanana ny tontolon’ny fambolena malagasy, indrindra fa ny sehatry ny vary izao », hoy ny Ambasadaoro Japoney Koji Abe. Nohamafisiny fa ny tena tanjona sy fanamby lehibe dia ny hanampy an’i Madagasikara hahatratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Ny fanohanan’ny governemanta Japoney dia afaka manampy amin’ny fahamarinan-toerana ho an’ny famokaram-bary eto amin’ny firenena eo anatrehan’ny zava-misy maneran-tany dia ny fiakaran’ny vidin-jezika, hoy hatrany io diplaomaty io. Notsiahivina fa efa 60 taona mahery ny fifandraisan’i Japon sy Madagasikara. Nifampizara traikefa sy fahaiza-manao, ary niara-niasa sy nifamanamy toy ny tamin’ny lafiny ara-pambolena tamin’ny alalan’ny tetikasa PAPRIZ, FY VARY, PC 23. Isan’ny hahazo tombony amin’io fanomezana io ny Ivon-toeram-pikarohana FOFIFA (Foibe Fikarohana Ampiharina amin'ny Fampandrosoana ny Ambanivohitra) sy ireo ivom-pamokarana vary. Tena mifanaraka amin’ny Paikady nasionaly ho an’ny fampiroboroboana ny fambolem-bary na ny SNDR izao, raha ny nambaran’ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana.


Tsara ny mampahatsiahy fa nandritra ny fanamarihana ny faha-63 taonan’ny fahaleovan-tenan’I Japon ny 02 martsa teo teny Ivandry no nilazan’ny Ambasadaorony Koji Abe fa fotoana izao tokony hiverenana mijery sy mandinika lalina hoe : nahoana no tsy mety mandroso i Madagasikara ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT