FAMBOLENA AGRO-EKOLOJIKA

Tany 1000 ha no efa rakotra azy any amin’ny Faritra Anosy


  • Zoma 11 Oktobra 2024

Teknikam-pambolena mety sy mifanaraka amin’ny toetr’andro rehetra misy ny Agro-ekolijika.

Mety aminy avokoa ireo karazam-bary sy legioma na hanin-kotrana volena hahafahana mamaha ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ireo Faritra tena mila izany. Voakasik’izany manokana ny Faritra Anosy sy Androy izay hiasan’ny tetikasa AFAFI Sud. Tany mirefy 1000 ha hatreto no efa rakotr’izany ao Anosy, asa natao tato anatin’ny 3 taona. Tantsaha an’arivony no efa misitraka ny tombontsoa azo avy amin’izany ankehitriny, miparitaka amina tokantrano miisa 4.000. Toraka izany koa ny Faritra Androy raha araka ny vaovao azo. Vokatry ny fisian’io teknikam-pambolena vaovao sy manaraka ny toetr’andro io ka nanomezana fiofanana ireo tantsaha dia efa nosokafana any amin’ireo faritra roa ireo ihany koa ny ivon-toerana hahafahana mandray an-tanana ny Reny sy ny zaza…Fikambanam-behivavy miisa 8 no mitantana azy ankehitriny. Ankoatra ny fanomezana sakafo madio sy maro loko ary ara-pahasalamana ho an’ireo zaza 6 ka hatramin’ny 24 volana any an-toerana dia hampianarina ireo Renim-pianakaviana ireo koa ny resaka fahadiovana sy ny fikarakarana ireo karazam-bokatra misy any an-toerana mba ho lasa sakafo mahavelona sy mahasalama. Manodidina ny 1.800 isa eo ho eo ny zaza raisin’io ivon-toerana io ankehitriny, miampy vehivavy 2800 sy lehilahy 1900 isa.
Pati
Legende : Efa afaka mamokatra haricot vert tahaka izao ny any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT