Sosialy

Fambolen-kazo Tokony hisy fanaraha-maso hatrany


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Tokony hisy fanaraha-maso hatrany ny zanakazo volena, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao fa tsy avela hikodana fotsiny eny an-tendrombohitra.

 

 

 

Tokony hahazo 5 metatra mantsy ny halavan’ny zanakazo iray ao anatin’ny 5 taona raha voara-maso ara-dalàna. Anisan’ny hampihatra izany ny vondrona Aremec eny Ankazomanga, taorian’ny nambolen’izy ireo ireo zanakazo miisa 4.000 fototra teny Imerinkasinina Ambohimalaza ny faran’ny herinandro teo. Hazo fihinam-boa isan-karazany miaraka amin’ny kesika sy  kininina no novolena  tamin’izany ary mpiasa 500  kosa no nanatanteraka ny asa. Tanjon’ny   vondrona Aremec  ny handrakotra maitso an’i Madagasikara izay mifanandrify indrindra amin’ny vinan’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Ireo mponina eny Ambohimalaza sy ny kaominina moa no hifanome tanana amin’ny fanaraha-maso ireo zanakazo vao avy novolena ireo. Nofaranan’ny vondrona Aremec tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2020 ny lanonana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT