Sosialy

Fambolen-kazo Nahavita ny adidiny ny IT University


  • Zoma 28 Febroary 2020

Ao anatin’ny fanambin’ny firenena hamboly 60 tapitrisa hazo mifandraika amin’ny faha-60 taona nahazoana ny fahaleovantena, dia nanatanteraka ny anjara adidiny ny IT University.

 

 

 

 Nanatanteraka fambolen-kazo teny amin’ny havoanan’Ambotomiranto Ambohijanaka izy ireo ny sabotsy 22 febroary 2020. Nitarika izany ny Rektora, izay nanamafy fa ny Informatisianina manana ny maha izy azy dia tsy manilika sy tsy manao ambanin-javatra ny maha olona sy ny maha olom-pirenena. Sady fiaraha-nitsangantsangana (picknick) no natao no fanatanterahana ny adidy ho an’ny firenena. Ny taona 2011 moa no nitsanganan’ny IT University, oniversite tsy miankina manofana momba ny informatika, ka ny diplaoma Licence sy Master no sitrahan’ny mpianatra, ka iaraha-misalahy amin’ny oniversiten’i Nice any Frantsa ity farany. Ankehitriny dia manodidina ny 650 ny tanora manovo fahalalana, raha toa ka efa tsy tambo isaina ireo mpianatra navoaka, izay efa saika manana ny anjara toerany eny amin’ny tontolon’ny asa avokoa ny ankamaroany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT