Sosialy

Fambolen-kazo faobe Tsy maintsy atao andro alahady ve ?


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Andro alahady ilay 19 janoary, hanombohana ofisialy ny taom-pambolen-kazo hatao eny Tampoketsa.

 

 

 

 

 Tsy fantatra raha tsy maintsy manatrika izany ny rehetra na hanaja ny fahafahana mivavaka ny fitondram-panjakana. Ny mpiasam-panjakana, indrindra ireo mpiasa ECD sy EFA aloha, dia hatahotra raha tsy handeha, sao hahazo fangataham-panazavana (demande d'explication) miafara amin'ny tsy fanavaozana fifanarahana arak'asa, izay mitovy amin'ny fandroahana ihany. Ho an'ny FJKM manokana, ohatra, dia fotoan-dehibe ny alahady fahatelon'ny volana janoary satria fotoana fiarahabana ny filohan'ny FJKM mianakavy. Amin'ity taona ity dia eny amin'ny coliseum Antsonjombe no hifampitaona ny mpino kristianina avy amin' ny FJKM ny alahady 19 janoary. Dia ahoana izany raha mpino FJKM izay mpiasan'ny minisitera ? Na koa katolika na avy amin'ny antokom-pivavahana hafa mitandrina ny andro alahady ? Tsy mety kokoa ve raha atao andro hafa io fambolen-kazo io. Ohatra, alarobia, dia amin'izay afa-po na ny FFKM na ny advantista na ny silamo na ny apokalipsy sy ny maro hafa. Fantatra fa feno herintaona amin'ny 19 janoary izao ny fianianan'ny filoha Rajoelina ka mety ho manamarika azy manokana io daty io. Sa tsy tokony hipetraka ho olana ve ny andro alahady satria firenena laika i Madagasikara ?

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT