Nanomboka ny alatsinainy hatramin’ny omaly alarobia dia filaharana lava be no hita tamin’ireo tobin-tsolika teto Toamasina noho ny tsy fisiany nivoaka avy teo anivon’ny toby fitehirizana izany ao Manangareza Toamasina nanomboka ny zoma lasa teo sy ny faran’ny herinandro.
Ny tobin-tsolika Jovena ihany no nahitan’ny mpanjifa lasantsy nanomboka ny alatsinainy io, raha nogiazan’ireo tompon’andraikitra tao teto Toamasina ny solika 36.000 litatra tokony nentina niakatra tao Antananarivo, ireo ambiny kosa dia mbola nanana gazoala ihany saingy tsy naharaka izany noho ny filan’ny olona ka nalaky lany. Raha ny fanazavana dia noho ny fanidian’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny OMH na “Office Malagasy des Hydrocarbures” sy ny “logistique pétrolier” niaraka tamin’ireo mpiasan’ny fadintseranana miasa manokana eny anivon’ny toby fitehirizana solika eto Toamasina ny fitaovana fitsinjarana izany no anton’izao tsy fisian’ny solika izao. Voalaza ny angom-baovao natao na tena sarotra izany noho ny toe-draharaha mikasika ny resaka ara-bola sy trosam-panjakana tsy voaloa no nahatonga ny tranga niseho. Vokatry ny zava-nisy sy fandraisana andraikitry ny prefektioran’i Toamasina amin’ny maha-tompon’andraikitra azy ara-pilaminana amin’ny tranga tahaka izao, dia nisy ny vahaolana niraisana teo amin’ireo tompon’ny trosa sy ny fanjakana, ka nanomboka ny alarobia tokony tamin’ny 10ora teo dia nanomboka namatsy solika ireo toby mpaninjara solika ny tobin-tsolika ao Manangareza. Voalaza fa tsy hisy olana intsony aloha ny famatsiana solika ao Toamasina nanomboka omaly, saingy miankina amin’ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana ihany no miantoka izany rehetra izany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.