Sosialy

Famatsiana rano fisotro madio Neken’ny HCC ny fanatanterahana ny Jirama Water III


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Neken’ny eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC ny fanatanterahana ny tetikasa famatsiana rano fisotro madio eto Madagasikara

 

 

 

 

 

antsoina hoe Jirama Water III araka ny lalàna laharana 2020 - 009. Raha tsiahivina dia fifanarahana nataon’ny fanjakana Malagasy sy ny banky eoropeanina momba ny famatsiam-bola na BEI efa tamin’ny 9 desambra 2019 teo izy io. Famatsiam-bola hatrany amin’ny 65 tapitrisa Euros moa no efa natonton’ity banky ity ny janoary 2020 teo hahafahana manomboka izany fanadiovan-drano izany eto Antananarivo. Ny 35 tapitrisa amin’izy io dia nampindramina, raha toa ka fanomezana kosa ny 30 tapitrisa, raha tsiahivina hatrany. Isan’ireo hampiharana ny tetikasa ny tobim-pamokaran-drano etsy Ankadindratombo izay heverina fa afaka mamatsy rano 30.000 m³ isan’andro. Hisy toby miisa 2 ihany koa natao hahazaka 40.000 m³ eny Mandroseza. Isan’ny vinavina ankoatra izay moa ny hametrahana fitehirizan-drano miisa 5. Ny 1 natao hahazaka 3000m3 etsy Ambohitrimanjaka ary ny 4 eny Mahatazana, Alasora, Ambohimanambola ary Ambohibe ka mitentina 1000 m³, raha tsiahivina hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT