Sosialy

Famatsiana rano fisotro madio Mitady vahaolana hatrany ny JIRAMA


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ireo tetikasa hamahana ny olan’ny famatsian-drano manerana ny Nosy ny

 

 

 

 

orinasa  JIRAMA ankehitriny. Anisan’izany ny any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Misy ny tetikasa fanamboarana toho-drano avy amin’ny reniranon’Itendro ao Fenoarivo Atsinanana hanampiana ny famokaran-drano any an-toerana. Ny 12 desambra lasa teo no efa niantomboka ny asa ka ho vita ny 30 aprily ho avy izao izany raha ny voafaritry ny tetiandro. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny JIRAMA sy ny fikambanana GRET ny fanatanterahana ity tetikasa ity. Tanjona ny hampiakarana ny famokaran-drano ho 2 184m3 isan’andro raha toa ka 507m3 isan’andro izany amin’izao fotoana izao. Ny mpanjifan’ny JIRAMA rehetra ao  Fenoarivo Atsinanana moa no  hisitraka ity  tetikasa ity.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT