Fihetsiketsehana an-dalambe ny zoma maraina no nanehoan’ny mponin’i Tsiadana ny tsy fahafaliany noho ny tsy fahazoana ranon’ny JIRAMA eny an-toerana.
Nitondra fanazavana ny JIRAMA fa tafiditra ao anatin’ireo faritra dimy eto Antananarivo misedra olana amin’ny fahazoana rano fisotro madio ny eny Tsiadana. Vahaolana vonjimaika entin’ny mpitantana ny JIRAMA sy ny minisitera mpiahy, ny fanaovana « forages » ka eny Ambohimangakely sy Ambohitrarahaba no ametrahana izany voalohany. Vinavinaina ho 100 m3 isan’ora ny rano ho azo amin’ny « forage » iray ary afaka enim-bolana any ho any dia hisitraka izany ny mponina. Raha vita io tetikasa « forages » io dia mihamaivana ny olana amin’ny fitaterana sy famatsiana rano amin’ireo toerana manana olana ireo. Eo ihany koa ny famolavolana ny tetikasa « JIRAMA Water Three », izay tafiditra ao anatin’ny fanitarana sy ny fanatsarana ireo tambajotram-pitsinjarana rano efa misy eto Antananarivo sy fametrahana tobim-pamokarana sy fanadiovan-drano vaovao eny Ambohitrimanjaka, Alasora ary Laniera, izay hamokatra rano 90 000m3 isan’andro. Vahaolana vonjimaika azo tanterahina ao anatin’ny fifampidinihina ohatra ny fanaterana rano ho an’ny mponina tena ianjadian’ny tsy fisian-drano, ka iaraha-mijery amin’ny fokontany toy izay natao teny Itaosy ny fandaminana izany. Marihina fa ny rano vokarin’ny JIRAMA eny Mandroseza dia mahasahana tanteraka ny filàn’Antananarivo satria dia mamokatra rano 230 000 m3 isan’andro ny tobim-pamokarana. Ny JIRAMA dia mamerina hatrany ny fialan-tsiny amin’ireo mpanjifa noho ity olana ity, ary manantena hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.