Famatsiana rano eto an-drenivohitra

Hotrandrahana ihany koa ny reniranon’Ikopa sy Sisaony


  • Zoma 31 Mey 2024

Hotrandrahana hamatsiana rano ny mponina eto an-drenivohitra ihany koa ny

reniranon’Ikopa sy Sisaony raha araka ny fantatra. Tsy maharaka ny filana intsony mantsy ny ranon’i Mandroseza efa amam-bolana maro izao, antony miteraka ny fahatapahan-drano etsy sy eroa arahin’ny fahanteran’ny foto-drafitrasa raha araka ny fanazavana azo. Efa mandeha araka izany ny fanadihadiana mikasika izany fomba hitrandrahana ny ranon’Ikopa amin’izao. Voalaza rahateo fa efa nisy ny fotoana nisintonana rano tao amin’ity renirano ity nanampiana ireo rano tao amin’ny ranon’i Mandroseza. Teknisiana maro no mikotro-doha manatanteraka izany ankehitriny. Tsiahivina moa fa tsy ampy 43.000 m3 isan’andro eo ho eo ny rano tokony hovatsian’ny orinasa JIRAMA eto an-drenivohitra, antony tsy maintsy hitadiavan’ny tompon’andraikitra vahaolana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT