Sosialy

Famatsiana jiro sy Rano Sempotra tanteraka ny Jirama


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Ny alahady 13 sy alatsinainy 14 janoary ny rano amin’ny paompin’ny Jirama, dia kimavoka be fa naverina nampiasaina ny fantsona efa ela tsy niasa.

 

 

 Ny alahady 13 janoary tany Toamasina I dia fokontany efa ho 30 no nahitana delestazy tena naharitra fa hoe tsy ampy ny soliky ny jirama hampandehanana ny milina mpamokatra herinaratra. Tamin’ity herinandro ity, nivoaka ihany koa ny programan’ny delestazy ho an’i Toliara I satria tsy ampy ny soliky ny jirama. Misy fotoana tapaka amin’ny antoandro, misy fotoana tapaka amin’ny alaina ny herinaratra. Henjankenjana ihany koa ny delestazy ho an’Antsiranana satria sarotra ary misy ampahany tapaka mihitsy aza ny lalam-pirenena faha-6 ka tsy afaka mandeha ireo kamio citerne mitatitra gazoala hianavaratra. Antananarivo hatramin’ny nisian’ny orana, dia nisy efa ho isan’andro amina faritra maro ho an’ny renivohitra sy ireo distrika manodidina an’Antananarivo ny fahatapahan’ny herinaratra,... ary dia efa namoaka ny programan’ny fahatapahan’ny herinaratra efa ho isan’andro mihitsy aza ny jirama nanomboka ny fiandohan’ny volana desambra 2018  ka hatramin’ny 23 janoary, izany hoe mbola hitohy ilay izy. Matetika manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro io fahatapahana io. Ambara fa noho ny fikojakojana tsy maintsy atao. Izay marina ve no tena izy sa manana olana ara-bola ka tsy mahavita mividy solika handefasana ireo milina na ny mpamokatra herinaratra na ireo miasa amin’ny fizarana ranon’ny Jirama ka mahatonga ireo tsy fahatomombanana maro be ireo ? 55 miliara ariary isam-bolana no vola lanin’ny jirama hividianana gazoala, 58 miliara ariary anefa ny vola miditra, satria mbola misy koa ny fandaniana hafa tsy maintsy atao amin’ny fampandehanana ny orinasa isan’andro. Io no antony tsy maintsy mbola hanampian’ny fanjakana ity orinasa ity izay tsapa fa tena sahirana tanteraka ankehitriny ary hita mivaingana amin’io delestazy sy olana amin’ny famatsian-drano io izany. Mila fanarenana tanteraka na ara-pitantanana na ara-pamokarana ny Jirama satria raha ny zava-misy, dia ireo orinasa vahiny mivarotra herinaratra aminy no tena mifehy ny zava-drehetra. Toa misy politika sy bizina maloto hangejana ny Jirama tsy ho afa-mikofoka, ka andrasana izay hafitsoky ny fanjakana vaovao eo anatrehan’ny olana samihafa mampikolay ny vahoaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT