Efa vita ny asa fametrahana tahirina herinaratra na “transformateur” vaovao ho an’ireo fokontany miisa 2 dia Ambohimirary sy Ivanja Ambohitsoa, hoy ny avy eo anivon’ny Jiro sy rano Malagasy.
Ireto faritra voalaza ireto moa dia isan’ireo heverina ho faritra mafampana eo amin’ny resaka tsy fahandriampahalemana, indrindra, nandritr’izay fotoana nisian’ny fahatapahan-jiro lavareny izay. Mivaha ankehitriny ny olana, raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Jirama, Vonjy Andriamanga, rehefa tonga nijery izany teny amin’ireto faritra ireto ny ekipan’ity sampana misahana ny jiro sy rano eto Madagasikara ity. Na izany na tsy izany aza anefa dia nahitana tsy fahatomombanana kosa ny milina mpampiaka-tosika eo Anosizato ny sabotsy teo. Tapaka araka izany ny famatsian-drano tamina toerana maromaro dia Anosipatrana, Ampitatafika, Ankaditany, Fenoarivo, Beravina, Ambanilalana, Ambaniala, Andranonahoatra, Vinany Loharanombato ny sabotsy teo ; tapaka niaraka tamin’izay ihany koa ny jiro nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 8 ora sy sasany alina. Somary taraiky ny fampandrenesana saingy efa teo am-panarenana ny simba moa ny ekipa teknikan'ny Jirama izay nilaza fa rehefa vita izany dia hiverina amin'ny laoniny ny famatsiana, hoy ny filazana, ka dia niara-niaritra teo indray aloha izany ny mpanjifa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.