Sosialy

Famatsiana herinaratra Miha mafy isan’andro ny fikorontanana


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Eo ihany ny fahatapahan-jiro lavareny fa eo indrindra koa amin’izao fotoana izao ny fanahian’ireo mpanjifan’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy manoloana ny filatsahan’ny tanjaky ny jiro sy ny fitaovana mandeha amin’ny

herinaratra vatsian’ny JIRAMA na “tension” moa izany. Tsikaritra nanomboka ny marainan’ny omaly io tamina fokontany sasantsasany teto an-drenivohitra, hany ka tsy mahazaka mampandeha ireo fitaovana toy ny fahitalavitra sy vata fampangatsiahana anatin’ireo tokantrano koa ny tosik’izay herinaratra azon’ny JIRAMA vatsiana izay. Miha mafy isan’andro, araka izany, ny tsy filaminan’ity famatsiana herinaratra ity. Ny an’ireo kaominina hafa toy iny Itaosy sy ny manodidina iny moa dia tsy hita intsony izay ilazana azy, hoy ny fitarainan’ireo mponina.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT