Sosialy

Famatsian-drano eto Antananarivo Tsy ampy 120 tapitrisa litatra isan’andro


  • Talata 09 Aprily 2019

Tsy ampy ary tena olana ny famatsiana rano eto Antananarivo satria 200 000m³ monja raha tokony ho 320 000m³ isan’andro ; izany hoe tsy ampy 120 000m³ na 120 tapitrisa litatra satria 1m³ mira 1000 litatra.

 

 

 

Tsara ho marihana fa manodidina ny 2 200 000 ny mponin’Antananarivo renivohitra izany hoe ny ao anatin’ireo boriborintany 6, fa mitombo lavitra be io isa io raha atsofoka ao ny mponin’ireo distrika manodidina tahaka an’Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo… Izay indrindra no anton’ny fivoriana natao tetsy amin’ny primatiora Mahazoarivo omaly alatsinainy 8 aprily niarahana tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian, ny minisiteran’ny rano ary ireo tompon’andraikitry ny famatsiana rano eo anivon’ny JIRAMA. Nodinihina tao ny olana misy ary handray fanapahan-kevitra hanao fampiasam-bola amin’ny rano ny fanjakana, hoy ny tatitry ny lehiben’ny governemanta. Ao anatin’ny 1 na 2 volana dia hisy ny vahaolana ary hatomboka amin’ny fanaovana “forage” any amin’ny faritra misy rano sy ireo tena mijaly amin’ny famatsiana. Nasiana resaka tao ihany koa ny fijerena ny lafiny ara-teknika hahafahana mampîasa ny reniranon’Ampasimbe.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT