Sosialy

Famatsian-drano eto Antananarivo Ireo rano efa misy ihany no hodiovina hanara-penitra


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Ao anatin’ny famahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny JIRAMA amin’izao fotoana izao. Misy ny tetikasa fametrahana « Unité de Traitement d’eau Conteneurisée » kasain’izy ireo tanterahina.

 

 

 

 Miavaka ary manaraka ny vanim-potoana ankehitriny ity fomba famokarana sy fanadiovan-drano vaovao ity satria ao anaty kaontenera no misy ireo dingana rehetra takian’ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny fanadiovan-drano. Alefa avy hatrany any amin’ny tambazotra mpitsinjara isan-tokantrano ny rano voadio avy eo. Natomboka tetsy Ankadindratombo ny fametrahana « Unité de Traitement d’eau Conteneurisée », izay afaka hamokatra rano fisotro madio 2400m3 isan’andro, hamatsy ny kaominina Alasora. Ankoatra an’Ankadindratombo dia toerana fito hafa ihany koa, izay misedra olana amin’ny fahazoana rano fisotro madio no hisitraka ny tetikasa . Ho an’Amoronakona izay mamokatra rano 100m3/ora ohatra dia hamatsy an’Ambohimangakely sy ny manodidina izy. Hamatsy ny kaominina Ampitatafika kosa ny eny Anosizato. Ny eny Tanjombato ihany no hamatsy ny kaominina Tanjombato. Ny eny Ampasika indray no hamatsy an’i Bemasoandro sy Itaosy. Samy mamokatra rano 200 m3 isan’ora ireo. Ho an’Andohalafy Ankadimanga indray dia hamatsy an’Ambohidrapeto sy Ankadimanga izay hamokatra rano 100 m3 isan’ora, Ivato hamatsy ny kaominina Ivato, Sabotsy Namehana hamatsy ny kaominina Sabotsy Namehana. Efa eto an-toerana avokoa ireo “Unité de Traitement Conteneurisée" ireo ary efa mandeha ny fametrahana izany. Tanjona ny hamahana ny olan'ny famatsian-drano amin'ireo faritra manodidina an'Antananarivo sy hanatsaràna kokoa hatrany ny tosika sy ny tosaky ny rano eto Antananarivo renivohitra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT