Famatsian-drano eto Antananarivo

Hitombo anatin’ny 15 andro ny olana efa misy


  • Talata 20 Mey 2025

Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !

Hisy fikorontanana amin’ny famatsiana herinaratra amin’ny faritra sasany eto Antananarivo mandritra ny andro maromaro ho avy izao. Voakasik’izany ny eny Anosizato hatrany Soavinandriana, Itaosy sy ny manodidina, Talatamaty, Ambohimanarina, ary Ambodimita, hoy io orinasam-panjakana io. Araka ny fanazavan’ny Jirama, fahasimban’ny vata mpanova herinaratra manana tanjaka 25 MVA eny amin’ny sous-station Tana Sud Anosizato no anton’izany olana izany. Tsy maintsy entina eny Ambodivona io fitaovana io, ka haharitra eo amin’ny 15 andro eo ho eo ny fanamboarana azy. Mandritra izany fotoana izany, mety hisy fahatapahana herinaratra miverimberina, mifandimby, na maharitra amin’ireo faritra voakasika, hoy hatrany ny Jirama. Isan’andro efa olana sy fikorontanana, saingy mbola hihamafy ao anatin’ny 15 andro. Asa rahoviana vao tsy hisy fitanisana olana mandavan-taona ? Mbola mitoetra hatrany ilay fanontaniana nataon’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny 2018 : tsy misy intsony ve ny delestazy ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT