Famatsian-drano eto Antananarivo

Faritra maro ho tapaka adin’ny 8 rahampitso


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Namoaka fampahafantarana ny Jirama ny andron’ny omaly fa hotontosaina

rahampitso zoma 12 Janoary ny asa fanamboarana ny ampahan'ny tambazotra N14 mamatsy herinaratra 5000 V ao Mandroseza. Mandritra ny fanatanterahana ny asa, eo anelanelan'ny amin'ny 9ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva izany hoe anatin’ny ora valo, dia hihato ny ampahan'ny famokarana ao Mandroseza ka ho banga eo amin'ny 1900m3 isan'ora ny famokarana, hoy ny fampahafantarana. Hisy fikorontanana arak'izany ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Hiverina toy ny mahazatra kosa izany rehefa tontosa ny asa. Toerana maro no hiharan’io dia Analamahitsy - Ivandry - Alarobia -Ankorondrano - Soavimasoandro - Anjanahary - Manjakaray - Ambatomainty - Ambatobe - Ankadindramamy - Soamanandrariny - Ambohitrarahaba - Ankadikely Ilafy - Ambodivona - Ankadifotsy - Ambohijatovo - Faravohitra - Ambatonakanga - Antaninarenina, Amboditsiry - Tsiadana - Fort-voyron - Mahamasina - Ambolokandrina - Ankatso - Ampandrana - Ankadivato - Ambanidia - Anjohy - Andohalo - Ambohimitsimbina - Mahabo - Ambohijanaka - Ankaraobato - Ankadilalampotsy - Mahalavolona - Fort-Duchesne - Ampandrianomby - Ampanotokana - Andraisoro - Antsahameva. Zava-dehibe ny fanamboarana ary andrin’ny vahoaka raha izany fa misy ve ny antoka fa mba hilamina amin’izay ny olan’ny rano izay isan’ireo fahoriana mahazo ny vahoaka mandavan-taona ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT