FAMATSIAN-DRANO ENY ALASORA

Mbola tsy misy vahaolana fa hiandrasana ny kaominina foana


  • Zoma 19 Septambra 2025

Mbola tsy misy vahaolana maharitra mihitsy ny famatsian-drano fisotro

madio ireo mponina ao amin'ny kaominina ambanivohitr'Alasora, distrikan'Avaradrano hatreto. Mbola ny kaominina hatrany no mamatsy rano ny 90 %-n'ny mponina amin'ny vidiny mirary toy ny ao amin'ny Fokontanin'Alasora, Mahitsy, Miadana ...izay voasokajy ho avo toerana. Efa efa-bolana mantsy izao no tsy nisy rano mitete intsony tamin'ny paompin'izy ireo raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy nefa ny faktioran'ny Jirama isam-bolana tsy maintsy aloha foana. Ankehitriny manomboka miditra mian-dalana mankany amin'ny maintany isika. Mitombo ihany koa ny filan'ny mponina koa hanaovan'ity Ben'ny tanana ity antso avo amin'ny Ministeran'ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana hotronin'ny Jirama. Efa nisy hoy izy ny fampanantenana nataon'ny Fitondram-panjakana mikasika ny hanaovana forage ao Alasora saingy efa mandeha ve izy io? azo hampiasaina ary azo antenaina ve ? Tsy nahazo vaovao mikasika izany intsony mantsy ny kaominina raha araka ny fanazavana azo omaly. Nanamafy moa Randriantsoa Jimmy fa tokony hisy ny vahaolana fohy ezaka sy lavitr'ezaka mikasika ity famatsian-drano ao Alasora ity fa tsy izany foana sanatria no olana hovahan'ny kaominina mandavan-taona.
Pati
Légende : Hentitra ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy teto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT