FAMATSIAN-DRANO AO ALASORA

Mbola mijanona ho fampanantenana fotsiny ny an’ny Ministra


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Mbola mijanona ho fampanantenana fotsiny ihany ny nataon’Atoa Ministry

ny rano ho an’ny mponin’Alasora nandritra ny fandalovany teny an-toerana efa-bolana lasa izay mikasika ny hametrahany siniben-drano ao an-tampon-tananan’Alasora. Hatreto mantsy raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy dia votsotra hatrany ireo appel d’offre indroa miantoana niantsoana ireo orinasa handray an-tanana ny antoka. Miditra amin’ny appel d’offre andiany fahatelo indray izao ireo tompon’andraikitra koa andrasana izay mety ho tohiny. Mbola ny kaominina Alasora hatrany noho izany no mamaha ny olan’ny mponina ao anatin’ireo Fokontany miisa roa dia Miadana sy Alasora izay ao anatin’ny faritra avo. Efa ho iray volana indray mantsy izao tsy nahazo rano intsony ireo mponina amin’ireo Fokontany miisa roa ireo raha mba nandeha ihany izany tamin’ny alina teo aloha. Voatery ny kamiao mpitatitra fakon’ny kaominina no hitaterana rano in-telo isan-kerinandro miainga avy eny Mandroseza noho izany no sady vatsiana solika. Miverina in-7 na in-8 isaky ny andro iray ilay kamiao mandritra izany mitatitra ny rano izay mameno citerne miato 3 na 5 m3 eo ho eo. Miandry izay vahaolana marina ho entin’ny Ministra araka izany ireo mponin’Alasora fa tena mahatsiaro mijaly rano tokoa.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT