Sosialy

Famatsian-drano an’Ampitatafika Nampiana 3 vaovao ireo sinibe 5 teo aloha


  • Talata 23 Novambra 2021

Nampiana 3 vaovao ireo sinibe 5 efa napetraka teo aloha hamatsiana rano fisotro madio ny mponin’Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Omaly no nanatanterahana izany, niarahana tamin’ny Ministry ny rano Rakotondrazaka Adrien, ny solombavambahoaka voafidy eny an-toerana ary ny Ben’ny tananan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina. Nambaran’ny Ministra nandritra izany fa miezaka hatrany izy ireo mitady vahaolana amin’izao haintany misy eto amintsika izao. Anisan’ny vahaolana fohy ezaka efa tanterahin’izy ireo ohatra ny fametrahana bombona tahaka izao hatao ho an’ireo tanana miorina amin’ny faritra ambony toy ny ao Ampitatafika izao. Hisy ihany koa ny fandefasana ranon’orana artifisialy manomboka anio raha feno tanteraka ny fepetra raha araka ny fanazavan’ny ministra hatrany. Anisan’ny vahaolana lavitr’ezaka kosa ny fanatanterahana ilay tetikasa iarahana amin’ny vondrona Eoropeana amin’ny taona 2022 mitentina 73 tapitrisa Ar. Anisan’ireny ny fanamboarana ny ao Mandroseza, Laniera, Ambohitradrapeto ary Ambohitrimanjaka. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka moa no nandraisan’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina izao fahatongavan’ny ministry ny rano teny an-toerana izao. Nomarihiny manokana fa tamin’ny herinandro no tena mafy ny tsy fahampian-drano teny an-toerana raha efa mba mivaha amin’ny ampahany izany ankehitriny.
Pati

Legende : Nandritra ny fandalovan’ny Ministry ny rano teny an-toerana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT